James 5

1Avia, ianareo izay manan-karena, mitomania sy midradradradrà noho ireo fahoriana tonga aminareo. 2Ny harenareo efa lo, ary ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao. 3Ny volamenanareo sy ny volafotsinareo dia efa harafesina. Ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo. Handoro ny nofonareo tahaka ny afo izany. Notehirizinareo ny harenareo ho amin’ny ireo andro farany.

4Indro, ny karaman’ireo mpiasa dia mitaraina _ny karama izay nohazoninareo tsy ho an’ireo izay nampamokatra ny sahanareo, ary ireo fitarainan’ny mpijinja dia efa tonga any an‘tsofin’ny Tompon’ny maro. 5Niaina tamin’ny harena teto an-tany ianareo ary nanara-po tamin’ny tenanareo. Natavezinareo ny fonareo ho an’ny andro famonoana. 6Nanameloka sy namono ny olo-marina ianareo. Tsy nanohitra anareo izy.

7Koa mahareta, ry rahalahy, mandra-piavin’ny Tompo. indro, ny mpamboly miandry ny vokatra sarobidy avy amin’ny tany. Miandry amim-paharetana izany izy, mandra-pahazoan’izany ny voaloha sy ny fara-orana. 8Ianareo, ihany koa, mahàreta. Hatanjaho ny fonareo, satria efa akaiky ny fiavian’ny Tompo.

9Aza mifampitaraina, ry rahalahy, mba tsy ho tsaraina ianareo. Indro, ny mpitsara mijoro eo am-baravarana. 10Makà ohatra, ry rahalahy, avy amin’ny fijaliana sy faharetan’ireo mpaminany, ireo izay niteny tamin’ny anaran’ny Tompo. 11Indro, ataontsika toy ny sambatra ireo izay efa niharitra. Efa renareo ny fiaretan’i Joba, ary fantatrareo ny tanjon’ny Tompo, ny maha-feno fangorahana sy famindram-po Azy.

12Fa ambonin’ny rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin’ny lanitra na amin’ny tany, na amin’ny fianianana hafa. Fa kosa, aoka ny teninareo hoe: “Eny” ho “Eny” ary ny “Tsia” ho “Tsia,” mba tsy hiditra amin’ny fitsarana ianareo.

13Misy olona va eo aminareo mijaly amin’ny ady sarotra? Aoka izy hivavaka. Misy olona faly ve? Aoka izy hihira fiderana. 14Misy marary va eo anivonareo? Aoka izy hiantso ny loholon’ny fiangonana, ary aoka izy ireo hivavaka ho azy. Aoka izy ireo hanosotra menaka azy amin’ny anaran’ny Tompo. 15Ny fivavaky ny finoana no hanasitrana ilay olona marary, ary ny Tompo hanangana azy. Raha nanota izy, dia hamela azy Andriamanitra.

16Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny vavaka ataon’ny olo-marina dia tena matanjaka amin’ny fiasany. 17Elia dia lehilahy nitovy tamintsika ihany. Nivavaka mafy izy mba tsy hilatsahan’ny ranon’orana, ary tsy nilatsaka tamin’ny tany nandritra ny telo taona sy enim-bolana izany. 18Avy eo nivavaka indray Elia. Ny lanitra dia nanome ranon’orana, ary ny tany namoa ny vokany.

19Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin’ny fahamarinana, ary misy anankiray mampiverina azy, 20dia tokony ho fantatr’io olona io fa na iza na iza manala ny mpanota iray amin’ny lalan-diso dia hamonjy azy amin’ny fahafatesana, ary hanarona fahotana marobe.

Copyright information for PltULB